You are here: home > Vetso

MADIO IZAHAY! - RATSIMBA Georges

Azo vakiana?

Jereo ny volonay :
Voahogo tsara ery !
Sady izay indray
Nasiana bigody!

Jereo ny tananay:
Madio tsara koa;
Ny hoho kosa indray
Voahety avokoa!

Jereo ny tongotray:
Mandina aoka izany;
Ny faladia oadray!
Toa tsy nandia tany!

Ny reninay moa
Mpipasoka mahay:
Voapasony avokoa
Ny fitafianay!

Angaha ny tena ihany
No diovinay ‘zareo?
Madio tahaka izany
Ny bokinay. Jereo!

Boky sy kahie,
Sy kitapo koa,
Avia jereo ange:
Milamina avokoa!

Tsy zaza be lalao
Fa hendry sy mahay
Ka moa ho gaga ianao
Raha toa madio ‘zahay?

NY RAHONA RATSIMBA Georges (NRRG)

Sokajy : Tontolo iainana

Hevitra mandeha

maeva74 (04/05/2010 23:40:08)

hay ve tena izy ity e! hihihihih tsara mahatsiaro ny fahiny

gasyjean (05/05/2010 14:17:14)

"Madio izahay" hehehe,tsianjerinay taloha izany lego!!! milay ka!

Hametraka hevitra

Midira aloha