NEFA (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Samy olona isika
Ara-batana, ara-bika!
Samy manan-tanindrazana!
Samy manana finoana!
5 Samy manana fiteny
Nolovana tamin-dreny!
Samy manana fisainana
Voavolavolan'ny fiainana!
Nefa asa,
10 Ary eo no mahalasa
Lasan-davitra ny saiko,
Mampiferina ny saiko :
Fa ny mba fisainanay
Notsatsoiny ambony ihany!
15 Ary ny finoana indray
Nabokainy avy hatrany
Eny, na ny teny aza,
Ambarany ho tsy mahalaza
Ny ao am-po ny zava-misy!
20 Ary indrisy,
Ny fanandevozana avy,
Tefen'ny lelany matavy,
No lazainy ho ambony lavitra!!
.............................
Ry fanavaham-bolon-koditra!!


Ny RAHONA RATSIMBA Georges
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1266 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096