NY FIKIRIZANA (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1-Mba mafy asaina ny tanimbary
Kanefa mikiry ny mpiasa tany.
Ny tanany miepaka, maharary...
Ikirizany anefa ka vita ihany!

2-Mba sarotra lahy 'ty enti-mody,
Ny saina domelina, ny andro lany,
Kanefa ny mpianatra te-ho tody,
Rehefa mikiry dia hainy ihany.

3-Mahery ny rivotra an-tendrombohitra,
Ny lalana sarotra aoka izany,
Kanefa ny mpihanika mahatohitra
Rehefa mikiry dia tody ihany!

4-Na inona vato misakan-dalana,
Na inona entana mahavizana,
Zakako, afako miandalana
Rehefa tafiko ny Fikirizana!

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Ambohidrapeto, faha 29 Martsa 1954
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
7960 6
Hevitra mandeha
pissoa ( 09/10/2005 18:11)
ity no tononkalo nankafiziko indrindra tamin'ny primaire aho.Dia mbola ankafiziko koa izao satria tena mamporisika be ahy hiasa ... na ny manao tsianjery azy aza ... tadidiko ohatran'ny hoe mihira izay izahay

mankasitraka
pissoa
nouna432 ( 16/10/2005 13:02)
za koa mankasitra ka de Christine koa hono c'est une amie bravo
MioraArielle ( 16/10/2005 16:24)
misaotra anareo rehetra mankasitraka, tsy iza aho akory fa mitovy aminareo ihany, dadabe anay Ny RAHONA koa dia mamerina fisaorana sy fankatelemana @ fahatsiarovana tsy mety lany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144