RAHA HO AVY IANAO!... (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1-Itondray tsikitsiky aho, raha ho avy ianao,
Tsikitsiky tsy miharo tokelaka
'Zay ho bitsika tena malefaka
Tsy ho ren'ny tia fosafosa
Fa hanàko any anatiko kosa!

2-Itondray safosafo aho, raha ho avy ianao,
Safosafo tsy re toy ny aloka,
Hifitsahako eo mba hianoka
Tsy sembanin'izay ahiahy
Mampihoala ny fo sy fanahy

3-Itondray kalokalo aho, raha ho avy ianao,
Kalokalo toa rotsy maraina,
Hongononina fa tsy hiraina,
Toy ny kalon'ny rivotra monja
Raha mikalo fitia amin'ny onja!

4-Itondray sangisangy aho, raha ho avy ianao,
Sangisangy hahadonto ny ratrako,
Hamihinako anao eto an-tratrako,
Hitobaham-pitia saraka ela
Pahalefaky ny hery tavela!

5-Hafatrafatra ny ahy, raha ho avy ianao,
Rediredin'ny tsy afa-manoatra,
Ta-haniny no sady misaotra,
Te-hionona anefa miangavy,
Raha ho avy ianao ka ho avy

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Hôpital Girard et Robic, faha 13 may 1965
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2146 1
Hevitra mandeha
rhina ( 14/10/2005 09:23)
tena mba tiko zany io tononkalo io e!
tena mitondra tsikitsiky tokoa na dia ny mamaky azy fotsiny aza
chipie1 ( 17/10/2005 18:24)
toa hira ity tononkalo ity zany e ?
naritsimba ( 19/01/2006 10:21)
tena hira io, hirain'ny Tarika Feo Gasy.
jmr ( 25/06/2013 15:50)
Ny fahafantarako an'io tononkira io dia an'i Dadagaby Voninavoko (Tonony sy Feony) : hirain'ny tarika voninavoko, hirain'i Hanta koa
hery ( 26/06/2013 10:29)
Fa izy angamba izany no tena nanoratra azy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135