TSY MANINONA RY TANY (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1° Tsy maninona ry tany
Ra'izay no sitrakao
Tsy ahoako ny tomany
Fa arotsako ho anao
Hay va re ka toy izany
Ny fiovan'izy ity
Ny mangidy sy ny mamy
Dia miaraka hatrety
Tsy maninona ry tany
Ra'izay no sitrakao
Eny holazaiko ihany
Hahato ny didinao:
Hay va re ny famadihana
Mbola misy ka mandrava
'Lay mba tiana nitodihana
Toa tsy te-hijery tava.

2° Tsy maninona ry tany
Ra'izay no sitrakao
Ho babeko hatrany ihany
'Zay rehetra atolotrao
Toa zavatra tsy misy
Safosafo sy ny mamy
Kanjo hay tokoa fa vitsy
'Zay sahady dia efa lany
Tendro-molotra niray
Ka tsy ela dia nisaraka
Tendro-po tokoa ny anay
Fa tsy fo niray tanteraka
Tsy maninona ry tany
Ra'izay no sitrakao
Fa ho raisiko ihany
Hahato ny didinao.

3° Rivodrivotra niserana
Ny fitia an-tendro-molotra
Ka indrisy nanenenana
'Zay nomena sy natolotra
Tsy maninona ry tany
Ra'izay no sitrakao
Fa hogohiko ihany
'Zay kapoaka atolotrao.
Toa rano mikoriana
Toa afo na mololo
'Lay lazaina nofidiana
Vetivety dia voasolo
Toa famantaran-drivotra
'Zay tsy mety miorin-toerana
'Zay mandalo toa mandrivotra
Nefa indrisy fa miserana.

4° 'Zay angamba vao nihiratra
Ilay masony mpifidy
Ka nahita ny mamiratra
Tena akanga sarobidy
Iarivo-Analamanga
Tsy mba lany olon-tsoa
Na adrisa na akanga
Samy ananany avokoa
Tsy maninona tsy akory
Tsofin-drano Ramatoa
'Ndeha hilaozy ny kamory
Afaka hankaiza moa?
Raha olona iray
No manda ny dina vita
Mbola any ilay IRAY
Tsy mpiandry volavita.

5° Tsy maninona ry Zedra
Ra'izay no sitrakao
Volamena voasedra
Tsy ho vasoka aho 'zao.

Ny RAHONA
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1684 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108