You are here: home > Vetso

ZANAKA ! - RATSIMBA Georges

Azo vakiana?

Ny zanaka Hendry : harena tokoa,
Dia haingo sy ravaky ny tokantrano !
Tsy misy to’azy satria ny Tsitoha
No efa nanolotra sy nitsodrano !

Mba sambatra kosa ny ray aman-dreny
Manana zanaka tahaka ireny !
Satria sarobidy ny valimbabeny :
Dia ny fahadiovany sy fahendreny !

Fa mampahonena ny zanaka adala :
Manimba ny saina ary koa mahaory !
Fanondro-molotr’izay mahalala
Ka henatra mantsy naleo tsy ary akory !

3 jona 1959
Ny RAHONA RATSIMBA Georges

Hevitra mandeha

salema (14/05/2010 09:55:18)

mafy tokoa ny fitiavan janaka an ary marina izanyhafa ihany ny zaza endr

Hametraka hevitra

Midira aloha