Diso tety (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety isika diso tety,
Tsy nahavanona ny mety.
Hafaliana no nantenaina,
Fa alahelo no jinjaina.
Fandresena no tinady,
Fa faharesena no voahady.
Very saina fa voaratra,
Ka mitady izay mba hiantra.

Dia mihezaka hanamarina,
Amin`ny teny namboamboarina.
Ny hadisoana, fa tsy maintsy,
Hafenina ny voka-dratsy.
Fa iza amintsika anefa,
No niteny ka naha efa.
Tsy mba nanao naditraditra,
Fa avy hatrany dia tafita.

Raha misy ary any ho any,
N`aiza n`aiza eto an-tany.
Dia izy no hatao mpitsara,
Hanavaka ny ratsy sy ny tsara.
Sy hatao ray aman-dreny,
Ho filamatra amin`ny teny.
Ka ho mpamaly fangatahana,
Sy andriamanitra hivavahana.

Fa tsy misy akory na iray,
Afaka milaza ho tahaka izay.
Ka tokony hanambara,
Fa afaka mitsara.
Manasazy sy mibedy,
Ireo izay nanao tsy nety.
Satria, tsy misy lafatra eto izany,
Afa-tsy Izy irery ihany.

Ka avelao ho Izy no handrindra,
Izay tsy mahay mamindra.
Ho mpamianatra mitandrina,
Izay tsy mahay manao ny marina.
Ho sakaiza tsy mandao,
Raha misy fahalavoana hatao.
Satria modely fehizoro,
Mpampijoro izay nikoro.

Any isika no mandady,
Raha resy amin`ny ady.
Hoentina aminy ny marary,
Fa Izy no hampanjary.
Sy vonona hanamarina,
Ireo rehetra vonona hiarina.

Nosoratan`i Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON
--------
Rohy:
558 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015