Fitahiana ho an'ny hafa (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiezaka aloha isika mba ho fitahiana ho an'ny hafa
Hitrakan'ireo malemy sy ireo mianjera amin'ny tany
Ho mpampianatra mahitsy sy tsy mba mihafahafa
Mba hoe ahatafita olona maro any aoriana any

Ireo folaka marary tamin'ireo ora nianjeràna
Sy ny fotaka maloto nodiovin'ny fotoana
No lasa lesona amin'izao hizarako fahalalàna
Hampandrosoko ny rehetra maniry fiovana

Ka raha misy faniriana any anaty foko
Tsy mba ny hanan-karena ihany fa ny hanosika sy hanoro
Ireo tanora maro miaina ireo sento sy toloko
Tsy mahita tany ombana sy tsy mety tafajoro

Etsy hanangana izay vita hanovàna ny tantara
Hampitombo lanja ny tanora maro izay ratsy karakara
Ovaintsika avokoa ireo tsy mety mba ho tsara
Mba hisy tsiky maro hisoritra eto Madagasikara


Herizo Andrianitsiahy, Antananarivo, 3 mey 2024
--------
Rohy:
141 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747