Fo Maratra (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fendrofendro sisa reko,tao anaty foko tao.
Ontsa nefa ahoana f'zay no tianao!
maratra mafy ny ao anaty satria lasa ianao!
anjara sa safidy raha toa aho nitia anao!

Reko zany lefom-pohy natsatokao ny foko,
antso vonjy maro no nodradradradraiko sy nantsoiko!
tena mafy sy mangidy no nasetrinao izany,
ranomaso sy tokoko no mba fiainako eto an-tany!

Asakasakao r'tiako,fa anio aho hitomany,
hampiononako ity foko naratra tamin'izany!
Sento,ory sy fijaliana!
ny vokatry ny valin-teninao ry tiana
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
2033 0
Hevitra mandeha
Nofy2 ( 30/11/2015 13:46)
MAHAIZA MANADINO
Efa nanadino ve ilay notiavinao?
Ka mamoy fo @ zavatra atao?
Izao no tsarovy miletinka ao an-doha
Fitia an-katerena tsy mitondra soa


Tsy diso akory ianao raha mitia azy
Ny azy koa misy antony raha mandao anao
Manana hambom-po aza mandadilady
Na miangavingavy rehefa tsy tia ialao


Tsy izy irery akory no olona eto an-tany
Ka mandratra fo fa izy irery ihany
Jereo ny manodidina be dia be ny tsara
Amin’ireo angamba no mety ho anjara


Avelao handeha raha hita tsy azo tanana
rehefa tsy tamana aza mba sakanana
Omeo tsondrano koa hahita ilay hotiaviny
Irario ny fiainany ho tojo izay tadiaviny


Izao no ataovy an-tsaina ho tanjona ho tratrarina
Mahaiza manadino ny olona notiavina


Nofy2 17 Octobre 2006
hasina poeta ( 02/12/2015 13:29)
za mihitsy no voatsindron'izan teninao izany
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152