Havadika ny pejy (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao ny foko te hitrifana,
Feno fery tsy mety sitrana;
Nefa mionona aho fa izay no lahatra.

Ka iza ary no omeko tsiny,
Raha mahatsiaro ny fahiny,
Izay mety hampalahelo sy handratra.

Tsy misy, dia avelao aho hitomany,
Mba hamonoako ireo vinany;
Izay mbola te hihoatra ireo fetra.

Eny avelao aho hamafa,
Ny tsiahin`ireo ora, niarahana nitafa;
Mba tsy ho saona no hitoetra.

Farany, misaotra nahavita,
Nampanonofy ny tsy hita,
Na dia saika hampanjempizepy.

Fa soa ihany ny tantara,
Voafaranana tsy tsara.
Ka izao, havadiko ny pejy...

Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY,
20-04-2020, Toamasina
--------
Rohy:
504 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.056