Hiran'ny tsy manantena - Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ao anaty aizim-pito misy antsam-pahoriana;
Hirahiran'alahelo, izay mitady fitoviana;
Hazakazaka amin'ny maizina tsy mahita ny aleha;
Ambom-po tsy te hilefitra ka mihezaka mandeha.
Hampiononona ny fo hisotro ny mangidy,
Fa ferana ny saina tsy hitsiahy sy hitadidy.
Izay mipetaka ho fery dia tsy maintsy hadinoina
Ekeko... fa ny ho faty, izany kosa aza inoana.
Hatrehina ireto karazan'ady mifanesy;
Eny na dia tsy voatery hivoaka ho mpandresy.
Ho lavo sy mianjera fa tsy kivy manantena;
Hoe mbola ho avy ny ampitso hahitana fandresena.
Ka ny halavoana sy ny rafitra mibingo,
Io tsy fidiny akory fa mipetraka ho baraingo.
Dia ny hita ireo mandalo sy miserana ihany;
Lavo ekena izao, fa hiarina aorian'ny androany.
Ka ireo kalo fandatsana nampandreraka ny aina,
Ho soloina fifaliana rehefa tonga ny maraina.
Dia hijoro amin'izany ilay lohalika voatoro:
Hanangana ho vao indray izay rehetra nikoro.
Ka akipy ny maso, dia ireo nofy no banjinina;
Saintsainina sahady ny amboara ho fihinina.
Satria mijery ambany Ilay Mpitarika ao ambony:
Tsy mba hijaly foana izany,
Izay manao ny sitra-pony.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY,
13/02/2020 - 22:13
Mombamomba
Mpanoratra : Herizo Ravonjison Andrianitsiahy

Nampiditra : zonytsiahy
Daty : 27/06/2020
Mpamangy : 337
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AminyOmeko anao daholo izay ts
Lafatra r'Iaina no fetra
Sanatria raha hisy
Avelao ho ahy ny lapan'ny fonao
Ahy
Ho avy ny andro
Ity ny teniko
VOASARIKA
Misy reny tsy miteny