Iray vatsy (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa ny manam-pahendrena,
Sy ny manam-pahalalàna.
Fa tsy mahasoa ny tena anefa,
Raha toa ka tsy hifampizaràna amin'ny hafa!
.
Soa ny manam-pitiavana,
Satria izany no tena fiadanana.
Saingy raha fitiavan-tena fotsiny,
Dia tsy mahasoa ny tena mihitsy!
.
Tsara ny manana harena,
Fa mety ho hita izay tadiavina.
Saingy tsy mitondra lavitra,
Raha hijerena fotsiny ny mahantra!
.
Ilaina ny maso, ilaina koa ny tanana,
Miara-miasa ireny hahasoa ny tena.
Toy izany koa ny olona rehetra,
Mifanohana raha te handeha lavitra.
.
Raha mba misy ihany,
Fitiavana any anaty any.
Aleo tsy tanana ho fananana,
Irery, fa hizarana koa ireo tsy manana!
.
Efa ratsy mantsy amin'izao ny fiainana,
Mila tandrovina amin'izany ny aina.
Aleo manao miaraka izay maha velona,
Toa izay samy hifampiavonavona!
.
Aleo mifanampy amin'ny olana sy ny ady,
Toy izay ilay hoe samy mamaha ny olany avy.
Aleo hajoro hantrany ny firaisan-kina,
Mba ho tena iray ny ao anaty fiaraha-monina.
Izay be mantsy no basy,
Izay iray aina ihany no iray vatsy!
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
827 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152