You are here: home > Vetso

Ity ny teniko - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Azo vakiana?

Ity ny teniko, mba raiso,
Mandondona ny fonao.
Hamafa ranomaso,
Sy ny alahelo tavela ao!

Ity ny teniko, fihino,
Mifangaro rotsirotsy.
Hitondra anao hanadino,
Ireo mitsiahy tantara ratsy!

Ity ny teniko, halalino;
Hamantaranao an-tsaina,
Ireo hevi-petsiny mifono.
Izay tsy sahiko lazaina.

Ity ny teniko mivoady,
Mba hataonao tsianjery:
N'inona n'inona ho ady,
Izaho tsy hamela anao ho irery!

Ity ny teniko, soraty!
Ka ataovy tsara kolo;
Fa ny fitiavako ato anaty,
"Anao hono izy manontolo..."

Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY, 31-07-2020

Hametraka hevitra

Midira aloha