Kapoakan'i Jesosy - Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Azo vakiana?
Ny kapoaka natao hosotroiny,
Dia dinan'ny tia tsy mihemotra
Mangidy mafaitra ny tsirony,
Nefa ritrany tsy nisy ady varotra.
Ny kapoaka natao ho fenoiny,
Dia fitiavana manefoefo.
Tsy mba vola ka ho tratra ny vidiny,
Ka ny ràny no nataony takalo.
Mafimafy kapoaka ny tany,
Fa Izy dia nanana koa.
Nangatahany esorina ihany,
Nefa lanin'ny tsy nisy avokoa.
Tanatin'io kapoakany io,
Tao ny ota mivaly oriory.
Fitiavana dia nosotroiny,
Eny na dia tsy azy akory!
Ny kapoaka navelany kosa,
Dia kapoaka mivolom-parasy.
Ao no hita ilay paradisa,
Efa nomaniny ho antsika atsy ho atsy.
Akasoy ny kapoaka zareo,
Ho sitraka sy telina aterina.
Asio tehaka mafy sy feo,
Fa ny Paska anio mitamberina.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
Mombamomba
Mpanoratra : Herizo Ravonjison Andrianitsiahy

Nampiditra : zonytsiahy
Daty : 18/04/2019
Mpamangy : 808
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
AminyOmeko anao daholo izay ts
Lafatra r'Iaina no fetra
Sanatria raha hisy
Avelao ho ahy ny lapan'ny fonao
Ahy
Ho avy ny andro
Ity ny teniko
VOASARIKA
Misy reny tsy miteny