Mahafinaritra ny fiainana (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahafinaritra ny fiainana
.
Misiotsioka ny tsiriry,
Fa masaka ny vary.
Faly indray ny mpamboly,
Fa handeha hinjinja vary indray.
.
Miorakoraka ny gana,
Ravo koa ny gona.
Fa tonga teo Sisaony,
He, hilalao rano ihany.
.
Velom-bolo ny akoho,
Hita taratra amin'ny feony,
Fa hamiratra ny andro,
Faly ery fa hiasa tany.
.
Niainga ny domoina,
Andeha hitady izay hoanina,
Nanaraka azy ny mazoto,
Hanao ny asa isan'andro.
.
Midoboka ny aponga.
Ny papango no nively,
Hanaitra ny kilonga,
Hivonona handeha hianatra.
.
Toy izany raha ny fiainana,
Raha arahina fanantenana.
Tsy handrenesana havesarana,
Raha atao am-pitiavana.
Hizotra tsara izay tsy izy,
Raha asiana tsikitsiky.
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON
ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
1162 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104