Mba mangataka (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba mangataka azafady,
Mangataka miangavy.
Fa efa omaly no tsy omana,
Tena efa kely ny aina!
.
Mangataka fa tsy manana,
Na fitafy na sakafo,
Na hantra na fitiavana.
Omeo fa malahelo!
.
Mangataka am-panajana,
Izay ampy re zaraina,
Sanatria ny hoe manery,
Omeo fa hanaovanay tsianjery!
.
Tsy mitavandra izay lafo,
Fa mangataka raha mety,
Hividiana fitafy sy sakafo,
Entinay manao fety!
.
Tsy misy tsy maninona,
Izahay koa mahay mionona.
Ampy hiatrehanay ny fety,
Ny tsikitsiky omena anay!
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
764 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101