Misy reny tsy miteny - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON
Azo vakiana?
Misy tiana tsy miteny,
Fa fanina aho nitady.
Volafotsy fitosiana,
Mihidy anaty vatam-paty.
Mikiry azy izao ny foko,
Dontodonton`ny toloko.
Very saina tsy mahatsiaro,
Vontovonton`alahelo.
Ka any hery mitomany,
Sy manontany izay nombany.
Reny tiana indrindra,
Fa diamondrako nifindra.
Ao anaty dongon-tany mifangaro,
Hodidinin`ny alam-bero,
Sy rafi-bato mikotoana.
Horavaravan`ny fotoana.
Samy vita tsy misy sisa,
Ka fara-hery mitanisa:
Ireo anjara voatadidy,
Sy ireo teny sarobidy.
Hiazona ho lova tsara,
Ireo anatranatra rehetra.
Amadika azy ireny ho amboara,
Sy hampiaina azy tsy misy fetra.
Hampita ny fanilo izay nomena,
Ho modelim-pahendrena.
Ho tsangambato hampatsiahy,
Ilay reny tsy manahy.
Izay nodimandry, handiso angoty,
Sy hamela ahy ho kamboty.
Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY, 30/10/2019
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Nampiditra : zonytsiahy
Daty : 27/06/2020
Mpamangy : 147
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ity ny tenikoVOASARIKA
Diso tety
Hiran'ny tsy manantena
Hiran`ny fahatanorana
Havadika ny pejy
Ny voan'ny nofinofy
Paska minitra,
Kapoakan'i Jesosy
Rahafaliana