Ny lakan'i Neny (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny lakan'iny nitondra ahy sivy volana
Nandrotsirotsy mora teny an-drano nofy teny
Nisarika ny nofoko ho tonga hisy taolana
Namolaka ny lela sy ny vava hahay hiteny

Dia ilay lakana masiaka fa niezaka niaro
Tamin'ny rano sy ny onja izay mihetsika matetika
Tsy namela ahy potiky ny ditraditra maro
Fa nihazona ahy mafy hijoro sy tsy hilentika

Io lakana io no nampianatra ahy hiampita
Hisoroka ny fingana amin'ny alina mangina
Hoe eny an-dalana eny misy ady tsy hitahita
Haharendrika tsy nahy raha variana dia variana

Iny lakana iny ankehitriny no efa triatra
Noho ny hirifirin-drano lasa lomotra sy fery
Ary ny donadonam-bato sy ny fotaka narihitra
Ireo niharetany daholo tsy hahatonga ahy ho very

Laka-niandohana fa hitako efa faly
Namoky nono ahy fony aho zaza nitomany
He, nivimbina ireo taom-pahazazako omaly
Dia ny lakan'i neny izay tsarovantsika androany

Nosoratan'i Andrianitsiahy, nalaina tao amin'ny rindrin'i Andrianitsiahy, fetin'ny reny 2024
--------
Rohy:
123 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016