Tsipolotra (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatrao ve ny tsipolotra,
Feno azy eny rehetra eny!
Nefa tsy misy mivarotra,
Masom-boly akory hambolena azy ireny!
*
Tsy misy ilaivana azy mihitsy,
Eny an-jaridaina.
Ka tsy avela haniry,
Sy mba hahita fiainana!
*
Iza no mba tia tsipolotra,
Toa tsy misy izany!
Fa fatram-pankahala azy daholo ny rehetra,
Tsy dia haiko loatra izay antony.
*
Kanefa tiako ny tsipolotra,
Ka dia alaiko ho namana!
Noho izy tsy manavakavaka,
Sy tsy mifidy hipetahana!
*
Tiako ny tsipolotra,
Satria toa azy ny eritreritra.
Tsy afaka manohitra,
Fa manara-poana raha vao mahita tiana!
*
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
617 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01