VIMBINO RE NY FOKO - Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Azo vakiana?
Vimbino re ny foko, iny izy ento anao makany;
Izay rehetra anatiny ao, foiko ho anao ho any.
Misy maintso ao, misy manga, sy loko maro isa,
Ao koa ny volamena sy ny harena tsy voaisa.
Iny izy ka raiso, dia ento an-tanan-droa.
Aza averina amiko intsony na ho ratsy na ho soa.
Izay voatrako ao, izay efa ela izay;
Anao avokoa ireny, fa tsy ahy na dia iray.
Vimbino re fa vonona amin’ny filànao rehetra.
Na androany na rahampitso na ho andro tsy voafetra.
N’inona fitaovana ilaina amin’izay tadiavinao,
Dia aza misalasala, fa efa feno ao ka vahao.
Ohatra ao ny tady, hamatoranao ny tsiky.
Izay azoko antoka fa mafy, tsy laitran’izay kiky.
Izay lohalika malemy sy izay voa mafy torotoro.
Dia hoenjaniny avokoa haharitra hijoro.
Koa ndehana ary tadiavo, izay fantatrao fa mahasoa.
Ao anatiny ao, feno fitaovam-piadiana maro koa.
Ndrao mantsy hisy ady hanakan-dalana anao any.
Dia ireo fotsiny dia ampy, hampandresy amin’izany.
Manampy ireo ny fahalalàna fampiasa rehefa miady.
Izay voatefy tsara, raha toa ianao mitady.
Izy no hanampy anao raha misy ankifidy,
Hahaizanao manavaka ny mamy sy mangidy.
Ny tsiahin’ny tantara izay mitondra hakiviana.
Ao anaty foko, misy afaka manova izany ho fifaliana.
Mino aho fa ho tianao ireo sarisary ho foroniny,
Hanafina ireo tantara mampahory nisy taminao fahiny.
Ka vimbino ary ity foko, fa efa voatokana ho anao.
Tsy hampanantena hafa intsony, fa izay ilainao dia ao.
Ny foko manontolo, izay navadiko ho vata mitahiry,
Izay rehetra hampiadana anao na firy io na firy.
Ao anaty foko ireo no mihidy mba ho anao irery.
Tsy misy afaka mahalala na iza ho afaka mijery.
Ka alalaho ny saina mba tsy hanary ny tadidy:
Fa ny fitiavanao ahy ihany, no tsy maintsy fanalahidy.
Ento izy ka vimbino, anao irery ny safidy.
Ny fotoana hamahanao azy amin’ny fanalahidy.
Na oviana na ovina, izy anao ho doria.
Ento ny foko, na hampiasainao re na tsia.
Mombamomba
Mpanoratra : Herizo Ravonjison Andrianitsiahy

Nampiditra : zonytsiahy
Daty : 18/10/2022
Mpamangy : 150
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tomanin-tsakaizaTiako ka tsy ariako, Na l
Aminy
Omeko anao daholo izay ts
Sanatria raha hisy
Avelao ho ahy ny lapan'ny fonao
Ahy
Ho avy ny andro
Ity ny teniko
VOASARIKA