VOASARIKA - Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Nisy olona sendra nandalo.
Fa nanaitra ny saiko variana.
Ka nanery ny vavako hikalo,
Hirahira mahita olon-tiana.
Ry anatin`ny foko: mitsora!
Mandefasa ny saina makany!
Toa tsotsofon`ny rivotra mora,
Dia indro fa lasa vinany.
Dontodonto ny saiko manakatra,
Mitsiky ho azy ny molotro roa.
Fa vangian`ny fitia tena matotra.
Ka mamorona tontolo hafa voa.
Dia tontolon`ny nofy mitafa,
Mpamelona ireo sary tsy misy.
Izay mivadika ho sento hafahafa,
Ka nefa dia ankafiziko mihitsy.
Ao no foroniko izaho samy irery,
Ny tantara mba tiana hitranga.
Izay tsy ho voasetran`ny akora miery,
Ka entiko am-bavaka ho tonga.
Dia ankehitriny tsy voatanako intsony,
Ka voatery ny vavako hizaka.
Sy hamoaka ireo tsy mampitony,
Sy ny mavesatra an-tsaina tsy zaka.
Hoe voadona ny foko ka miontsana,
Maniditsidina izy ao mitady.
Fa misy any tiany hanorenana,
Ny tena fitia sy voady.
Ho tsanganana iray voajoro.
Fa olona roa no mitambatra!
Ho mpanangana raha misy mikoro.
Hanorina hoavy mahasambatra...
- Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY, Toamasina 14 aprily 2020
Mombamomba
Mpanoratra : Herizo Ravonjison Andrianitsiahy

Nampiditra : zonytsiahy
Daty : 27/06/2020
Mpamangy : 306
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AminyOmeko anao daholo izay ts
Lafatra r'Iaina no fetra
Sanatria raha hisy
Avelao ho ahy ny lapan'ny fonao
Ahy
Ho avy ny andro
Ity ny teniko
Misy reny tsy miteny
Diso tety