Andao resena - Rdr_jr
Mitenena ry tanora malagasy
Tohero ny fanambanam-basy
Aza mety ho lavo ambany
Fa sahia mijoro, mitenena hatrany
Andao resena ny tsy rariny
Ny kolikoly sy ny tariny
Ny tsindrio fa lavo
Sy ny fisainana mavomavo
Andao re ry tanora
Ho toherintsika moramora
Ireo sakantsakana ireo
Izay manimba sy mankaleo
Andao omentsika laka ny marina
Ho tena olon-kendry no anarina
Hampandroso ity nosintsika
Izay no vina hajoro, hatsangantsika
Mombamomba
Mpanoratra : Rdr_jr

Nampiditra : bienvenurdr
Daty : 01/03/2018
Mpamangy : 631
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tiako ianaoTiko izy kanefa...
Ho anao
Io fitiavana io
Lasa aiza
Lasa
Nanonofy
Ny tompony
Tiana
Ho anao ry tiako