You are here: home > Vetso

Io fitiavana io - Rdr_jr

Azo vakiana?

Io faitivana io ry tovolahy
Hazavaiko aminao fa aza manahy
Be misitery sy be tsiambaratelo
Mitondra hafaliana sy alahelo
_*_
Io fitiavana io ry tovovavy
Mamy mangidy toa ny aviavy
Mampanjombona sy mampalazo
Tsy mamela raha malazo
_*_
Io fitiavana io ry tanora
Tsy kilalao ka ho vita moramora
Mamela olatra sy takaitra
Sy ratram-po tsy laitra
_*_
Io fitiavana io ry zareo
Mampanjombona sy mampitoreo
Ahitana ny mamy sy mangidy
Kanefa kosa tsy voavidy
=>Bienvenu

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Rdr_jr


Nampiditra : joseph bienvenu
Daty : 19/08/2017
Mpamangy : 774
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Andao resena
Tiako ianao
Tiko izy kanefa...
Ho anao
Lasa aiza
Lasa
Nanonofy
Ny tompony
Tiana
Ho anao ry tiako