Tiko izy kanefa... - Rdr_jr
Azo vakiana?
Tiako izy kanefa moa
Ianao no efa teo aloha
Koa nampandeferiko ny foko
Hitia azy an-tsokosoko
Tiako izy,indro kely anefa
Ity fitiavako diso fiantefa
Izy mantsy efa manatompo
Indrisy moa ry foko
Tiko izy,moa tia ahy koa
Tsy misy mahalala ny ao am-po
Kanefa ny anay efa tsy anjara
Ka nokaloiko hivalona tantara
Tiako izy,na tsy mety aza
Ny namboraka sy nilaza
Izay tena tanto am-poko kely adala
Saika avy atrany ny hiantso azy ho malala
Mombamomba
Mpanoratra : Rdr_jr

Nampiditra : bienvenurdr
Daty : 30/01/2018
Mpamangy : 1303
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Andao resenaTiako ianao
Ho anao
Io fitiavana io
Lasa aiza
Lasa
Nanonofy
Ny tompony
Tiana
Ho anao ry tiako