Ho anao - Rdr_jr
Azo vakiana?
Any ianao ry malalako tiako
Mba fantatrao ve ny fijaliako
Mahatsiaro anao foana foana
Na aiza na aiza,ninona fotoana
Ka na andro na alina mangina
Mahatsiaro anao foana ry tiana
Indrindra rahefa mijery ny sarinao
Tsapako ho mararary ny ao anatiko ao
Kanefa moa tsy hitako izay atao
Raha mba teo tokoa mantsy ianao
Feno tsiky ny androko rehetra
Satria anilanao tsy misy fetra
Nofinofy sy rediredy anefa izany
Satria ianao any an-tany lavitra any
Tsy hitako ho fihinina akory
Na horohana alohany atory
Mombamomba
Mpanoratra : Rdr_jr

Nampiditra : bienvenurdr
Daty : 26/01/2018
Mpamangy : 1053
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Andao resenaTiako ianao
Tiko izy kanefa...
Io fitiavana io
Lasa aiza
Lasa
Nanonofy
Ny tompony
Tiana
Ho anao ry tiako