Mihanoka (RHHC)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIHANOKA

Nifantoka tanteraka, naharitra ela teo ny saiko.
Nibanjina toy izay ihany koa ny fanahiko.
Nibosesika avy any ‘reo ataoko hoe “fahalalana”,
Tsy hita hohazavaina, fa kintana mamiratra, mitondra hafanana.

Rehefa mientanentana
Vao tsapa ny herim-pieretana.
Satria, ‘reo tabataban’eritreritra, nifikitra tan-tsaina, dia voahilika sy rava,
Dimbiasana boiboikam-pahalalana mahasondriana, ka ‘reo rahona... nisava.

Nisokatra miandalana ny masom-pahalalako,
ka ireo korontan’eritreritra izay nanakoako
Dia niravina ho iray:
“Hmm-m, azoko amin’izay! hitako amin’izay!”.

Miha-mazava izao ireo haizina hatr’izay, fa izaho nifoha,
Dia tsy misaina intsony afa-tsy izay zava-mahasoa.
Tamana aho, ka isan’andro, isan’ora, nanokana fotoana, ka izany no narahana.
Ary io fahazarana io no lasa famolahana.

Mizatra tsy ankijanona amin’ny fifehezan-tena,
Ka na ny zava-boahary aza toa nanao fifanekena,
Hoe “ny handrindra sy handamina no fenitra,
mba hifanentana amin’onjan’eritreritra”.

Fehiny,
Miareta, mifantoha raha mibanjina,
Fa ho tojo mahasondriana ka ho talanjona.
Hiverina herin’aina sy ho ampoka,
Tsy haim-bava lazaina fa dia mihanoka!

RHHC
--------
Rohy:
124 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0796