You are here: home > Vetso

IZAHO - RIJADOLLY

Azo vakiana?

     IZAHO    

Izaho ilay tsy mendrika
Hiantso ny anaraNao
Izaho ilay mpandrendrika
Ka tsy tokony hizotra ny làlaNao

Izaho ilay mpiatsaravelatsihy
Tsy mangatsiaka tsy mafana
Izaho ilay nandaha ny Fitia
Ka tsy mendrika ahita ny Kanana

Izaho ilay mpanandratena
Manana fanahy mpiavonavona
Izaho ilay mpanao tsindrihazolena
Ka mendrika ny ho lavina

Izaho ilay tazana eny aloha
Miseho ho hita ny rehetra
Izaho ilay miavona ao am-po
Ka mendrika ny hahetry

Izaho ilay fahotana jaky
Mpanjaka ny tany
Ny rà ny marina mitaky
Dia tsy ahoako akory izany

Izaho ilay tena mpanota
Teo anilaNao iny
Tsy mba nanaiky fa nanopa
Nefa tsy nomeNao ny tsiny

Izaho angamba ilay mpanamelo-tena
Fa ilay ratsy mampatsiahy izany eo an-tanany
Tsy mba misy mampanantena
Raha tsy ho entiNao an-tanana

Izaho ilay vizana ao am-po
Niantefan’ny ratsakazoNao
Izaho ilay ory am-po
Raha nihaotra ny valaNao

Izaho ilay nantsohiNao
Mba ahazo fanavotana
Izaho ilay nahitsiNao
Mba tsy andevozim-pahotana

Izaho ilay nomeNao toky
Handova fiainam-baovao
Ka nomeNao Boky
Ahafantarako ny làlaNao

    DOLLY

Sokajy : Fanantenana, Fiderana