NY LAMBA TAFIAKO - RIJADOLLY
NY LAMBA TAFIAKO
Ny lamba tafiako
Dia ireo fanaratsiany
Ka ny zavatra tiako
Dia efa nariany
Ny lamba tafiako
Dia ireo fanenjehany
Ny nanala ny hatsiako
Dia mbola nopotehiny
Ny lamba tafiako
Dia ireo eso-teniny
Ka ireo zavatra hiriko
Dia mbola noseny
Ny lamba tafiako
Dia ireo tondro-molony
Ka ny zavatra nariako
Dia mbola natolony
Ny lamba tafiako
Dia ireo rora amin'ny tava
Ka ny ratra,niafiako
Dia mangidy ao am-bava
Ny lamba tafiako
Dia ny Ràn' ny Tompoko
Ireo no nihafiako
Dia hanafaka ny lotoko
Dolly
Sokajy :
Fiderana
Hevitra mandeha
Mysento (25/08/2009 11:32:52)
Tsara ;ilay vetsom-piderana,mankasitraka!
mpiserasera (27/08/2009 17:49:47)
Misaotra Rijadolly a,tena mahafinaritra ilay Aingam-panahy !Voalazan(ise tanteraka ilay izy e !:-)
Mombamomba
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadollyDaty : 24/08/2009
Mpamangy : 1395
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
TSY IANAO MIHINTSYNY ASAN' NY TANAKO
FANDAHARANAO
RY FANKAM-PANAHIKO
TANINDRAZAKO
RENY MOMBA
HO AN' I NENY (2)
HO AN' I NENY (1)
NOMENAO
FANDEFERANA