Fakafakao (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny filazanao foana
hoe : tiako ianao
no hana-porofoana
fa tena tia tokoa ianao

Toky fitaka ihany
fa ny atao no hita
ny filazàna izany
dia porofo iaraha mahita

Fa raha tena tia ianao
dia ho hita amin'izay atao
sy fihetsika rehetra
ilay fitia tsy misy fetra

Ka tsy ho toy ny boloky lava izao
ka hiteny hoe : "tiako ianao"
izay tsianjery fotsiny ihany
hanafenana ny atao
any ambadimbadika any

Ka mahaiza ary mamantatra
ireo izay tena tia tokoa
fa tsy hiroboka avy hatrany
ka ho lasa harary fo

15-02-11
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1264 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139