Mandalo isika no eto (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny voninkazo
ny fiainan-tsika 'zao
vetivety dia halazo
ary koa handao

Mielina ihany isika no eto an-tany
ka andeha mba hamela mamy
ho tsaroan'ny zanak'amam-para
mba hirakitr'ho tantara

Mandalo isika no eto
fa tsy misy tompon-tany
ka andao ry reto
hifankatia hatrany

Esory ny lonilony
alaviro ny disadisa
mifankatiava hatrany
mba ahazo ny paradisa

Raha mpiavonavona ianao
dia ialao dieny izao
ka aoka ho tsaroanao
fa any aoriana any
ianao koa dia handao
izao rehetr'izao
mbola hody vovon-tany
ka tsy aleo mifanasoa
sy mifankatia hatrany !

(22-02-2011)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1165 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rina
Nampiditra : fitahina
Daty : 20/05/2011 14:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139