Hiezak'aho ny hanaiky (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hampiononiko ny foko
raha izay no sitrakao
ho toneko koa ny saina
raha izay no tianao

Mba ho fanajako ny safidinao
sy hanaporofoko fa tiko ianao
dia hiezak'aho ny hanaiky
ny fihetsem-ponao

Ny fitia dia tsy an-tery
fa an-tsitrapo
ka aleoko dia manaiky
sy mampitony fo

Hitia mangina anao
no hany azoko atao
tsy ho ataoko fantatrao izany
fa ho ahy irery ihany

Inoako fa tsy ho ianao
ilay voatokana ho ahy
fa mbola any izy any
efa mety miandry ahy

Ka hiezak'aho aho ny hanaiky
izay anjara omen'ahy
f'efa manaiky 'zao ny saiko
fa ianao dia tsy ho ahy

(22-02-2011)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1345 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rina
Nampiditra : fitahina
Daty : 20/05/2011 13:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136