Mivadibadik'eo (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maraina indray ny andro
vetivety dia atoandro
tsy hitahita akory
dia indro fa hatory

Dia toy izany foana
mandava taona
mivadibadik'eo,ny ririnina ny lohataona
ary koa ny fahavaratra
izay mahabe kotroka sy varatra

Dia toy izany koa
iray lasa roa
kely miha lehibe,
lasa be dia be

Dia mivadibadik'eo ny alahelo sy tomany
ary koa ny hafaliana
dia tsy misy hafa tsy izany
ny fiainan-tsika eto an-tany


(16-02-2011
17-02-2011)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
955 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rina
Nampiditra : fitahina
Daty : 14/05/2011 14:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136