Tsy natao hiara dia (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha andeha ianao ka ho any
tsy hisento aho na hitomany
andeha ny lalanao no izory
fa tsy hampaninon'ahy akory

Raha izay ianao no tsy tia
tsy ataoko hampahia
hiezak'aho ny hitraka
mba hitovizako amin'ny hafa

Na mafy aza ny alahelo
hiezak'aho ny tsy hamoy fo
ny ho avy atao mamerovero
mba hitondra voka-tsoa

Tsy ianao irery ihany
no olombelon'eto an-tany
ka afaka hitia
amiko! isika ty natao hiara-dia

Tadidio ! boribory zao tany izao
tsy hiantso tody aho sanatria
fa raha amin'zao fotoana izao
hionon'aho satria
'tsika tsy natao hiara-dia

(01-03-2011
08-03-2011)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1411 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rina
Nampiditra : fitahina
Daty : 20/05/2011 14:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137