Aoka tsy ho jamba (RNofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka tsy ho jamba

Aleo mihitsy tsorina ary avy dia lazaina
Tsy asiana olankolaka ary koa tsy safaraina
Fa mamiko ity taniko, Tanindrazana malalako
Ka n'iza n'iza te handrava, tsoriko fa halako

Tsy hoe an'olon-toakana, tsy an'izay mahazo seza
Nahazo fahefana ka hiseho fa tena "Ngeza"!
Hanao taingim-bozona ny Tsimandadiharona,
Hameno ny ati-paosy, hanavesatra ny harona.

Manangana orinasa, trano be mijoalajoala,
Ahondrana avokoa ireo harena hatrany an'ala.
Mambotry firenena, mampahantra ny vahoaka;
Dia manambitamby amin'ny vary iray kapoaka.
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
909 1
Mpakafy: RNofy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RNofy
Nampiditra : RNofy
Daty : 03/04/2014 06:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016