IANAO - RNofy
Azo vakiana?
IANAO
Ilay fitsikinao toa volana baliaka
Ravahan'ny kintana maro tsy hita isa
Ilay molotrao feno tsikitsiky
Kanto dia kanto, tsy misy tomika
Fihin-tananao tsy misy toa azy
Na aretina aza mantsy toa sitrana ho azy
Ny tositosinao mahafinaritra aoka izany
Arahin-tsafosafo mampisinda tomany
Ianao mantsy iny iray toa zato
Tsy tapany akory fa mitafotafo
Na tanora na antitra dia kanto hatrany
Ilay fitiavana tsy miova tsy lany mamy
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RNofy

Nampiditra : RNofy
Daty : 04/04/2014
Mpamangy : 1229
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
sa hoe a a...!Toky
Izay ihany
Iray donak'afo
Nofiko
Tia anao aho
FITAKA
Tiako
Tsy mendrika anao
be fika