Toky - RNofy
Azo vakiana?
Toky
Izaho tsy mandrara anao Tsy hitia azy
Saingy kosa aza atao vazivazy
Ilay fitiavana madio atolony
Avy ao am-po mivoaka imolony
Fitiavana madio foiny manontolo
Tsy zarainy amin' ny hafa ho anao daholo
Tsy antendro molotra fa latsaka anaty
Tena tiany ianao, tsy toy ny paraky
Ny fitiavako azy tsy mba toy ny lolo
Ka raha vao raisina dia miongo-bolo
Fitia tena marina latsaka anaty
Tsy afakao intsony na dia hananganam-pamaky
Fitia mandra-maty toy ny an'ilay jamba
Enti-milevina tahaka ny lamba
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RNofy

Nampiditra : RNofy
Daty : 08/05/2014
Mpamangy : 1698
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
sa hoe a a...!Izay ihany
Iray donak'afo
Nofiko
Tia anao aho
FITAKA
Tiako
IANAO
Tsy mendrika anao
be fika