sa hoe a a...! - RNofy
Azo vakiana?
Marina sa oe a a!!!!
Tsy midika tsy tia na mankahala
Iza ary no mbola tsy mahalala
Hatramin'ny nisian'ny hoe politika
Nanjary maro ireo be fikafika
Manangon-karena sady tia tena
Mampijaly vahoaka mambotry firenena
Marina sa oe a a!!!!
Ireo nitondra, vazaha mody miady:
ilay iraikalahy nandeha nibalady
Dia hoe sesitany nankany an-dafy
moa ny iray mampihesonina ny Gasy
Iry moa mangiana tsy ahitan-teny
F' efa azy hono teo fitondrana lavareny!
Marina sa oe a a!!!
Ireo dahalo aza mahagaga tokoa
Maro dia maro hono ny niova fo
Misy mitarika antokom-pivavahana
Manangon-drakitra isam-baravarana
efa ho tapitra ngamba ny omby any ambala
Sa tsisy fiafenana fa ringana ny ala!!!
Sokajy :
Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : RNofy

Nampiditra : rnofy
Daty : 26/01/2015
Mpamangy : 1193
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TokyIzay ihany
Iray donak'afo
Nofiko
Tia anao aho
FITAKA
Tiako
IANAO
Tsy mendrika anao
be fika