Izay ihany - RNofy
Azo vakiana?
Izay ihany
Raha hihomehy ianao tsy maninona
Kanefa aza ataonao tsinontsinona
Ny tsy fafehezako ny teny vazaha
Fa tsy mampitsanga-menatra ahy
Tsy hoe akory izaho no tena bado
Raha tsy mankafy ireny vazo
Miampy irony fomba sy lamaody
Izay mampitranga taola-maoja
Ny kolontsaina anie ananatsika
Fa naleonao ny avy any ampita
No nandrianina sy nolalaina
Ka dia voazanaka ny saina
Ny lovian'ny sahona tsy ihinanany
Ny valalan'ny amboa andosirany
Tsy sanatria akory mampitovy
Fa ny maha Malagasy no tandrovy
Sokajy :
Kolontsaina
Mombamomba
Mpanoratra : RNofy

Nampiditra : RNofy
Daty : 07/04/2014
Mpamangy : 1077
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
sa hoe a a...!Toky
Iray donak'afo
Nofiko
Tia anao aho
FITAKA
Tiako
IANAO
Tsy mendrika anao
be fika