Nofiko - RNofy
Azo vakiana?
Nofiko
Izaho tamin'ny alina nanonofy anao
Toy ny tsy teto an-tany, moa mba fantatrao?
Hafaliana safononoka, iny alina iny
Hasambarana niavosa, tsy hay hoe firifiry
Na ny paradisa 'zay tsy mbola hitako aza
Toa niainako sahady ary sahiko ny milaza
Fa tena fenonao tsy ampiana tsy analana
Tamin'iny alina iny, tena tiako ianao malala
Tsy andriko ny maraina ahitana anao
Hiainako mivantana ireo nofinofy tao
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RNofy

Nampiditra : RNofy
Daty : 04/04/2014
Mpamangy : 1301
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
sa hoe a a...!Toky
Izay ihany
Iray donak'afo
Tia anao aho
FITAKA
Tiako
IANAO
Tsy mendrika anao
be fika