You are here: home > Vetso

Tsy mendrika anao - RNofy

Azo vakiana?

Tsy mendrika anao

Izato akanjoko rotidrotika
Ny tongotro tsy mikiraro
Ny foko anefa potipotika
Vao nahita anao nandalo

Ianao nijery dia nihanjona
Rikoriko raha nahita ahy
Izaho anefa toa nibanjina
Toy ny hoe very fanahy

Nodinihiko ambony ambany
Ilay fitafinao tena kanto
Ilay kiraro moa izany
Maneno tahaka ny lamako

Sokajy : Fahantrana

Mombamomba

Mpanoratra : RNofy


Nampiditra : RNofy
Daty : 03/04/2014
Mpamangy : 1283
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

sa hoe a a...!
Toky
Izay ihany
Iray donak'afo
Nofiko
Tia anao aho
FITAKA
Tiako
IANAO
be fika