be fika (RNofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Be fika

Ry mpanao politika izay be fikafika
Tsara aminareo ny ao anaty barika
Ahondrana lafo mankany Amerika
Sesefana baomba na koa dinamita
Ho potika sy rovitra ts'isy hahaita

Leo anareo ny vahoaka ny olon-drehetra
Amin'ireo lainga sy fitaka tena voretra
Mpampandry andrisa no sady be filaza
Ny vavako mihitsy ary no aleo hilaza
Fa ianareo 'lay mpitarika vato vilam-bava
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1254 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RNofy
Nampiditra : RNofy
Daty : 03/04/2014 06:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031