MALAGASY (RNofy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASY Tsy hoe MALAGASY an-taratasy
Fa MALAGASY tena izy
Tsy ambakan'ilay atsy an-dafy
Tsy baikon'ireo vahiny
MALAGASY ray MALAGASY reny
MALAGASY hatrany
MALAGASY fomba MALAGASY fiteny
Ilay okana aman-tany
Andrianiko ny teniko
Hampiasaiko na aiza na aiza
Ny an'ny hafa koa feheziko
Fa tsy izy akory no mitaiza
--------
Rohy:
Sokajy :
Hambom-po
Mpakafy:
RNofy