OADRAY (RNofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OADRAY!

Indray andro aho raha nandeha, nifanena taminao
Talanjona aoka izany tamin'ilay fitafinao;
Ny lamba va re no tsy ampy sa niniana tsotra izao?
Tsy hay koa moa raha diso didy na lamaody vaovao.

Ny maso mijery moa tsy mitondra mody,
Saingy ireo dongodongona, manaitra matory.
Ny andro rahateo koa somary nangatsiaka
Ireo faritra hafahafa toa nampitsiriritra!
--------
Rohy:
879 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RNofy
Nampiditra : RNofy
Daty : 03/04/2014 06:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101