Tolory tànana (RNofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tolory tànana

Mampalahelo izy mipitrapitra
Mahita anao dia mitsiriritra
Mamela-tànana mba mangataka
Moa ve ilaozanao mihatakataka?

Izay mba foy fa tsy voafetra
Tsy hoe izay ananao rehetra
No andrandrainy avy aminao
Fa izay tena sitraky ny fonao

Raha toa izy ka mamela-tànana
Moa tsy noho ilay tsy fananana?
Ianao no hitany fa manana
Mety hany tokana hifaharana

Raha toa ianao ka ts'isy atolotra
Dia aza mba manondro molotra
Aza mihanjona na sanatria koa mangarika
Fa atolory azy ny tsiky tena mahafinaritra
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1061 1
Mpakafy: RNofy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RNofy
Nampiditra : RNofy
Daty : 03/04/2014 06:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142