Atosako ho anao (Rold)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atosako ho anao

Misentosento aok’izany
Ianao anilako eo
Toy ny tsy ety an-tany
Ny vatako fihininao

Miridiridy aok’izany
‘lay fitia kitihinao
Miemponempona aok’izany
‘lay fo, foanao

Henika aho,
Tsy misy toa ahy eto an-tany
Tretrika aho
Ravoravo lavitra tomany

Midobodoboka aok’izany
Ny foko anilan’ao
Tempom-pitia tsy mety lany
Atosako ho anao




RAZAFINDRAZAKA Rolland(Rold)
( 27 Avril 2008 Ambohibarikely)
Finday:033 07 979 75
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3528 1
Mpakafy: Rold
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144