Ranomasom-pihatsarambelatsihy (Rold)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ranomasom-pihatsarambelatsihy

Ranomasom-pihatsarambelatsihy
no narotsakao taty
Hanakonana ny ratsy efa vita
noheverinao tsy mba ho hita

Tambitamby zary maha te ho tia
no nataonao taty
mba tsy hampiovana loko
'lay fitiavana tato am-poko

Fifonana an-dranomaso, tambitambim-pitia
Karazam-pihetsika hisaritana fitia
Ny saina amam-panahy, ny vatana
sy fo
moa ve tena tia dia tia ahy tokoa?

RAZAFINDRAZAKA Andrianaivo Rolland (Rold)
Village des jeux Ankorondrano 1998
033 07 979 75
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2679 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rold
Nampiditra : Rold
Daty : 01/07/2008 06:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011