MAMA (Rold)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMA

Ianao ry Mama
'Lay dobo manga roa
Tsy mba manam-paharoa
'Lay loharano niaviana
Nitaiza, nanabe am-pifaliana

Ianao ry Mama
'Lay niankin-drindrina irery
Niaritra ny ratra sy ny fery
Mpananatra ary koa mpiteny
Nanjohy anay ombieny ombieny

Ianao ry Mama
'Lay ampinga fiarovana
Teto an-tany fandalovana
'Lay toky mpamaha olana
Raha tojo sakana ny lalan-kizorana

Ireo vitanao ry Mama
Mitoetra ato am-po
Mitamberina ato an-doha
Tsy mba maty, tsy mba lo.

Rold: 033 07 979 75
Boky KABARY MIRINDRA
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
3249 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137