Famangiana mana-manjo (Rold)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Famangiana mana-manjo


Eny, vahotra ny vava
Malomaloka ny tava
Ny orona seren’ny lelo
Fa tojo alahelo

Niamboho tokoa mantsy ny Raiamandreny
Izay tena mpananatra ary mpiteny
Folaka andry niankinana, toro vato nandiavana
Koa indreto miombon’alahelo etoana re izahay rahavana

Ny fahafatesana dia hady lalina eto an-tany
Ka mitrakà, ary atsaharo ny tomany
Fa lahatra ary manam-petra ny aina
Izay izay no diavina rehefa manana aina


Manaraka izany, tsy manadino fa mamelona
Ny fomba tena tsaran'ny Ntaolo tany aloha
Faho-dranomaso inty ho an’ny velona
Solon-drambon-damba ho an'izay miamboho

Ary farany, misy aminay ny mbola maimaika
Koa mahafadia hangata-dalana hitsaitsaika
Fa Andriamanitra ilay Tompom-pahasoavana
No hitoetra indrindra eto hatrany re rahavana

Aoka tsy hisoso-pahoriana intsony.
Fa izao no lahatra nataon'ny ao ambony.

RAZAFINDRAZAKA Andrianaivo Rolland (Rold)
05 jolay 2008 Anosibe Ambohibarikely
Finday: 033 07 979 75
--------
Rohy:
20853 2
Mpakafy: afovoany - Rold
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0936