Tompo ô! (Rold)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô!

Tompo ô! Hifonako aminao
Ny zava-bitako tsy sitrakao
Mibebaka aho mitalaho
Fa nanao ny tsy fanao

Tompo ô! Jereo ‘ty zanakao
Mangata-pamelana aminao
Mitady famindram-po
f’efa olona niova fo

Tompo ô! Tompoina ianao
Deraina anie ny anaranao
Ny didy folo izay napetrakao
No fefiko manomboka izao

07 jona 2008 Ambohibarikely
RAZAFINDRAZAKA Andrianaivo Rolland(Rold)
finday: 033 07 979 75
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fiderana
2723 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147