You are here: home > Vetso

Zaza milalao fitia - Rold

Azo vakiana?

Zaza milalao fitia

Mbola tsy tonga taona indry
dia efa milalao fitia,
Fa zaza maroroka be mpitia
‘zaho aza toa babo ka tia

Ny fitafy atao manara-pe
Rehefa mandeha eny an-dalam-be
Ilay foitra haderadera
Hanaporofoina fa tsy mba masera

Ny lehilahy atao marobe
Tsy manam-pady intsony va re!
Tsiratsiraina ny Ray aman-dReny
Rehefa mba mananatra sy miteny

Rehefa tonga taona indry
vao ho avy ny todim-pitia,
Fa efa lany mamy lany fy
‘zaho aza lasa tsy mba tia

Ny rain-jaza tsy fantatra hoe:
I Rakoto sa i Rabe
Indry anefa efa lany zara
Ka dia ho ratsy fiafara.

Razafindrazaka Andrianaivo Rolland (Rold)
1998 village des jeux Ankorondrano
Finday: 033 07 979 75

Sokajy : Fiainana, Fitiavana

Hevitra mandeha

achrafhanna (10/08/2008 15:16:56)

marina zany kah.tsara be le vetsonao.

fitiatantely (03/02/2009 07:12:58)

ny rain-jaza tsy fantatra hoe: i Rakoto sa i Rabe sa i Rold